Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 10:12-21 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.

13. Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).

14. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?

15. Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).

16. Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)

17. Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

18. Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4).

19. Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).

20. Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.

21. Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).

Vakio ny toko manontolo Romana 10