Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 1:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,

2. izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina,

3. ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,

4. ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika,

5. Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;

6. ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -

Vakio ny toko manontolo Romana 1