Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 9:17-32 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

18. Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.

19. Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.

20. Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.

21. Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.

22. Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.

23. Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

24. dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.

25. Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.

26. Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.

27. Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!

28. Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.

29. Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.

30. Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.

31. Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

32. Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.

Vakio ny toko manontolo Matio 9