Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 7:2-5 Malagasy Bible (MG1865)

2. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.

3. Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

4. Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao?

5. Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.

Vakio ny toko manontolo Matio 7