Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 27:56-66 Malagasy Bible (MG1865)

56. Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.

57. Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.

58. Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.

59. Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,

60. dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.

61. Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.

62. Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo

63. ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.

64. Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.

65. Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.

66. Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.

Vakio ny toko manontolo Matio 27