Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 26:31-49 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).

32. Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.

33. Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.

34. Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.

35. Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.

36. Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.

37. Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.

38. Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.

39. Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

40. Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!

41. Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

42. Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.

43. Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.

44. Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.

45. Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.

46. Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

47. Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.

48. Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.

49. Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.

Vakio ny toko manontolo Matio 26