Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 24:43-51 Malagasy Bible (MG1865)

43. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

44. Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

45. Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?

46. Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.

47. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

48. Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,

49. ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,

50. dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,

51. dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Vakio ny toko manontolo Matio 24