Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 24:13-18 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

14. Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

15. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),

16. dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;

17. ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;

18. ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

Vakio ny toko manontolo Matio 24