Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 22:40-46 Malagasy Bible (MG1865)

40. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

41. Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:

42. Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.

43. Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:

44. Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?

45. Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?

46. Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Vakio ny toko manontolo Matio 22