Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 22:26-41 Malagasy Bible (MG1865)

26. ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.

27. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28. Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.

29. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

30. Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.

31. Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32. Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

33. Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.

34. Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.

35. Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

36. Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

37. Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).

38. Izany no didy lehibe sady voalohany.

39. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).

40. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

41. Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Matio 22