Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 22:19-36 Malagasy Bible (MG1865)

19. Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.

20. Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?

21. Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

22. Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

23. Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:

24. Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).

25. Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;

26. ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.

27. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28. Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.

29. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

30. Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.

31. Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32. Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

33. Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.

34. Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.

35. Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

36. Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?

Vakio ny toko manontolo Matio 22