Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 20:27-34 Malagasy Bible (MG1865)

27. ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.

28. Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

29. Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.

30. Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!

31. Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!

32. Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?

33. Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.

34. Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.

Vakio ny toko manontolo Matio 20