Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 20:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.

3. Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,

4. ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.

5. Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.

6. Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?

7. Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.

8. Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.

9. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.

10. Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.

11. Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:

12. Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.

13. Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?

14. Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.

Vakio ny toko manontolo Matio 20