Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 14:27-35 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.

28. Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.

29. Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.

30. Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

31. Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?

32. Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.

33. Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.

34. Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.

35. Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.

Vakio ny toko manontolo Matio 14