Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 13:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.

10. Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?

11. Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.

12. Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.

13. Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.

14. Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;

15. Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).

16. Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.

17. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.

18. Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:

Vakio ny toko manontolo Matio 13