Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 12:19-23 Malagasy Bible (MG1865)

19. Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;

20. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;

21. Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).

22. Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.

23. Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?

Vakio ny toko manontolo Matio 12