Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 12:1-19 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.

2. Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.

3. Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,

4. Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?

5. Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?

6. Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

7. Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

8. Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

9. Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;

10. ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.

11. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?

12. Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.

13. Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.

14. Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.

15. Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;

16. ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17. mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

18. Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;

19. Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;

Vakio ny toko manontolo Matio 12