Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 8:27-30 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?

28. Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.

29. Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.

30. Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.

Vakio ny toko manontolo Marka 8