Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 7:34-37 Malagasy Bible (MG1865)

34. ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.

35. Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.

36. Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

37. Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.

Vakio ny toko manontolo Marka 7