Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 6:8-14 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.

9. Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10. Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11. Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

12. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.

13. Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

14. Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

Vakio ny toko manontolo Marka 6