Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 6:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.

6. Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.

7. Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.

8. Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.

9. Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10. Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11. Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

12. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.

Vakio ny toko manontolo Marka 6