Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 6:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.

2. Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?

3. Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.

4. Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.

5. Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.

6. Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.

7. Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.

8. Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.

9. Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10. Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11. Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

Vakio ny toko manontolo Marka 6