Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 5:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.

2. Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,

3. fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.

4. Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.

Vakio ny toko manontolo Marka 5