Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 4:33-41 Malagasy Bible (MG1865)

33. Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.

34. Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.

35. Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.

36. Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.

37. Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

38. Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

39. Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.

40. Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?

41. Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?

Vakio ny toko manontolo Marka 4