Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 4:22-38 Malagasy Bible (MG1865)

22. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.

23. Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

24. Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

25. Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.

26. Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany

27. ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny

28. Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.

29. Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.

30. Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?

31. Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;

32. Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

33. Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.

34. Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.

35. Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.

36. Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.

37. Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

38. Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

Vakio ny toko manontolo Marka 4