Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 3:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.

10. Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.

11. Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.

12. Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

13. Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.

Vakio ny toko manontolo Marka 3