Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 3:21-34 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.

22. Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

23. Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?

24. Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.

25. Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.

26. Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.

27. Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

28. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;

29. fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

30. satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.

31. Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.

32. Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.

33. Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?

34. Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!

Vakio ny toko manontolo Marka 3