Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 3:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.

21. Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.

22. Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

23. Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?

24. Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.

25. Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.

26. Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.

27. Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

Vakio ny toko manontolo Marka 3