Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 16:8-20 Malagasy Bible (MG1865)

8. Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.

9. [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy

10. Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany

11. Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany

12. Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha

13. Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa

14. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy

15. Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra

16. Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina

17. Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18. handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny

19. Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra

20. Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]

Vakio ny toko manontolo Marka 16