Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 15:22-31 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.

23. Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.

24. Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.

25. Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana.

26. Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.

27. Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.

29. Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,

30. vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo fijaliana.

31. Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.

Vakio ny toko manontolo Marka 15