Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 15:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.

2. Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.

3. Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.

4. Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!

5. Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.

6. Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka.

7. Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana.

8. Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.

9. Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?

10. Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy.

Vakio ny toko manontolo Marka 15