Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 6:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.

12. Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.

13. Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,

14. dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo

15. sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,

Vakio ny toko manontolo Lioka 6