Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 3:10-18 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?

11. Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.

12. Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?

13. Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.

14. Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.

15. Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,

16. dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;

17. eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.

18. Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.

Vakio ny toko manontolo Lioka 3