Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:4-15 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.

5. Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?

6. Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:

7. Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.

8. Dia nahatsiaro ny teniny izy.

9. Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.

10. Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.

11. Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.

12. Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.

13. Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.

14. Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.

15. Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24