Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:34-50 Malagasy Bible (MG1865)

34. sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.

35. Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.

36. Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

37. Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.

38. Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?

39. Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.

40. Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.

41. Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?

42. Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.

43. Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.

44. Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.

45. Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.

46. Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;

47. ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.

48. Ary ianareo no vavolombelon'izany.

49. Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.

50. Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24