Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:31-42 Malagasy Bible (MG1865)

31. Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.

32. Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?

33. Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo

34. sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.

35. Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.

36. Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

37. Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.

38. Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?

39. Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.

40. Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.

41. Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?

42. Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24