Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:22-34 Malagasy Bible (MG1865)

22. Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,

23. ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.

24. Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.

25. Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.

26. Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?

27. Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.

28. Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.

29. Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.

30. Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.

31. Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.

32. Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?

33. Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo

34. sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24