Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:11-23 Malagasy Bible (MG1865)

11. Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.

12. Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.

13. Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.

14. Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.

15. Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.

16. Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.

17. Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.

18. Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?

19. Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,

20. dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.

21. Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany.

22. Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,

23. ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24