Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 24:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.

2. Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.

3. Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.

4. Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.

5. Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?

6. Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:

7. Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.

8. Dia nahatsiaro ny teniny izy.

9. Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.

10. Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.

11. Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.

Vakio ny toko manontolo Lioka 24