Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 23:16-29 Malagasy Bible (MG1865)

16. koa hofaizako Izy, dia halefako.

18. Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!

19. Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.

20. Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.

21. Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!

22. Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.

23. Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona.

24. Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.

25. Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.

26. Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.

27. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.

28. Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.

29. Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.

Vakio ny toko manontolo Lioka 23