Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 22:61-71 Malagasy Bible (MG1865)

61. Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.

62. Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.

63. Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.

64. Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?

65. Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.

66. Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:

67. Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.

68. Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.

69. Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.

70. Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.

71. Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.

Vakio ny toko manontolo Lioka 22