Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 22:19-36 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.

20. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.

21. Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.

22. Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!

23. Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.

24. Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.

25. Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.

26. Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.

27. Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.

28. Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;

29. koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,

30. mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,

31. Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.

32. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.

33. Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.

34. Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.

35. Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.

36. Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 22