Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 21:32-38 Malagasy Bible (MG1865)

32. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

33. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

34. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.

35. Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.

36. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.

37. Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.

38. Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 21