3. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
4. Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?
5. Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6. Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
7. Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
8. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
9. Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.