Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 2:7-24 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.

8. Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.

9. Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.

10. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;

11. fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.

12. Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;

13. Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

14. Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.

15. Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.

16. Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.

17. Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.

18. Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.

19. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.

20. Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.

21. Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.

22. Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo

23. araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)

24. ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).

Vakio ny toko manontolo Lioka 2