Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 2:46-52 Malagasy Bible (MG1865)

46. Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.

47. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.

48. Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!

49. Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?

50. Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.

51. Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.

52. Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

Vakio ny toko manontolo Lioka 2