Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 19:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an'i Jeriko.

2. Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.

3. Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety, satria fohy izy.

4. Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo tamin'izany lalana izany Izy.

5. Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.

6. Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.

7. Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.

8. Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.

9. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.

10. Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.

11. Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Lioka 19