Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 17:18-31 Malagasy Bible (MG1865)

18. Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?

19. Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

20. Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.

21. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.

22. Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo.

23. Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.

24. Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,

25. Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.

26. Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:

27. nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.

28. Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;

29. fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.

30. Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.

31. Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 17