Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 16:17-24 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.

18. Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.

19. Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.

20. Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;

21. ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.

22. Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;

23. ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.

24. Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.

Vakio ny toko manontolo Lioka 16