Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 16:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.

2. Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.

3. Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.

4. Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.

5. Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?

6. Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.

7. Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.

8. Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.

9. Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.

10. Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.

11. Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?

12. Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?

13. Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.

14. Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 16